Ravindravina atentina

 

Tao anatin’ny volana vitsy izay, mahazo vahana ny vola sandoka manerana an’i Madagasikara. Manao izay danin’ny kibony ny olon-dratsy. Tsy mifidy toerana hanaparitahana vola. Tsy mifidy sokajin’olona ny mpanaparitaka izany fa misy hatramin’ny vahiny. Ireto farany izay sady manambaka no milalao ody ratsy. Mila mitandrina ny rehetra manoloana izany. Tsiahivina fa voaheloky ny lalàna mifehy ny ady heloka bevava, ho asa an-terivozona mandrapahafaty ny fanaovana sy fikirakirana vola sandoka.
Tsy ny vola ihany no sandoka eto Madagasikara. Hatra­min’ny ankabeazan’ny olona no hosoka sy tsy manana ny maha izy azy intsony. Toa ravindravina atentina fotsiny. Mpamitaka sy mpahay milalao sera no betsaka. Mpiva­rotra am-pitsanganana amin’ny lela mamy, kankana atao fintana. Manahaka azy ireny koa ny ankabeazan’ilay vahoaka tsy mandadiharona. Mihinana am-bolona sy mandeha an-jambany tafiditra anatin’ny vela-pandrika. Tafiditra anatin’ilay manontolo lehibe iray, antsoina hoe fiarahamonin’ny « mpisarintsariny » na ny mpisandoka.
Tsy mahagaga, hatramin’ny zaza madinika no misandoka ho olon-dehibe. Voajonon’ny filan-dratsin’ny mpanolana sy ny mpidoroka, ary ny herisetran’ny mpandroba sy mpamono olona. Porofon’izany ny trangam-piarahamonina maro mahasaringotra zaza madinika sy zatovo. Iaraha-mahita ny tovovavy toa misary « anjely ».Miraratra manam­baka zanaka mpanefoefo, kanefa monina anaty trano hazo eny ambanitanàna. Mihaingo ambony tsikoko ara-bakiteny.
Inona no ilazana izany ankehitriny, miditra amin’ny fialantsasatra ny mpianatra. Mila fanaraha-maso hentitra sy matotra. Mitaky andraikitra misimisy kokoa amin’ny ray aman-dreny sy ny raiamandreny. Tsy ho sodokan’ny hita maso fa mba hanatsikafona izay miafina any ambadika rehetra any.

r.r

Partager sur: