Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny Teinturerie Ampasanimalo, ny hetsika “Havatse Dago Tattoo Fest”, andiany voalohany. Hivondronan’ireo mpisehatra rehetra amin’ny fanaovana tatouage sy percing eto Madagasikara. Tanjona ny hampahatsiahivana ny rehetra fa tafiditra anaty kolontsaina malagasy ny fanaovana izany.
Eritreretin’ny olona fa jiolahimboto na tsy misy dikany ny olona manao tomboka havatse, raha ny zava-misy. “Mampiseho ny tantara niainany ny ankamaroan’ireo olona mitondra azy ireny amin’ny vatany”, hoy ny tomponandraikitry ny hetsika, Razafimanantsoa Hanta Navalona. Nilaza izy fa entiny hitsaboany ny tenany vokatry ny ratra nahazo azy ny antony hanaovana izany. Ankoatra izay, natao hampahatsiahivana amin’ny rehetra fa anisan’ny kolontsaina malagasy ny tomboka havatse.
Asa mahavelona
Mahavelona tsara ny asa misehatra amin’ny fanaovana “tattouage” raha toa ka mampiasa fitaovana matihanina ny mpanao izany. 40 000 Ariary ny séance iray, farany ambany, amin’ny eny amin’ny sehatra matihanina, raha ny fanazavana. Mahatratra hatramin’ny 100 000 Ariary kosa, arakaraky ny fahaizan’ny mpikirakira izany. Hamerenana ny vidin’ny fitaovana ampiasaina izany satria tsy latsaky ny 46 Euros ny vidin’ny encre amin’ny tavoahangy fahefany any ivelany. Mbola betsaka ny tsy mahazaka ny vidiny farany ambany io ka antony nanaovana ny tombolà eny an-toerana. Ankoatra izay, ahitana trano fampirantiana, filatroana,.. eny an-toerana.
Mino (mpianatra asa)