Niorina ny taona 2007 ny Fikambanana miaro hanasoa ny ranomasina (Fimihara), ao amin’ny fokontany Ifaty. 806 ireo mpanjono mpikambana anatin’ny kaominina roa (Belalanda sy Manombo) miparitaka anatin’ny fokontany 13. Nahatsapa ireo mpanjono fa rehefa simba ny vatohara, lasa nandositra any amin’ny fari-dranomasina lalina ny hazandrano ka sahirana izy ireo, hoy ny mpanolotsaina ao amin’ny fikambanana sady filoha teo aloha, Bruno Souvenir Keza. “Olana ny fahamaroan’ny olona miandriaka satria nisy mpihavy tsy mahafehy ny ranomasina tonga
eo an-tanàna hitady fivelomana”, araka ny fanazavany ihany.
Telo ny faritra misy vatohara tsy azo kitihina eo ambany fanaraha-mason’ny fikambanana ary misy mpanjono miaraka amin’ny lakana mivezivezy mijery ny tsy mpanara-dalàna. Entina eny amin’ ny olobe eny am-boalohany ary mandoa dina izay mbola manjono amin’ny faritra misy hara. Misy dingana ny famaizana fa tonga hatreny amin’ny fitsarana rehefa misy mamerin-keloka. 80 000 Ar ny onitra alaina amin’ireo mpanjono mampiasa harato madinika
fa azo ampiasaina ny toerana tsy arovana. Vokatry ny fiarovana ny hara, nihamaro ny hazandrano ivelan’ny faritra tsy arovana ka saro-piaro ny fokonolona. Mifandimby izy ireo manara-maso sady hentitra amin’ny fampiharana ny dina.