Natao omaly, ny fitokanana ny fanavaozana ny fonja ao amin’ny toerana natokana ho an’ny ankizy tsy ampy taona, eny Antanimora. Voavoatra ny fotodrafitrasa toy ny lakozia, ny efitrano fianarana sy fanofanana, ny efitrano fatoriana, ny biraon’ny mpiandraikitra ary ny tokotany.
Fiaraha-miasa eo amin’ ireo orinasa 7 miara-miasa amin’ny Fondation Axian no nahafahana nanatanteraka ny fanatsarana. Novatsiana ara-pitaovana koa ny kartien’ireo zaza tsy ampy taona ireo toy ny vilany sy fitaovam-pihinanana. Ankoatra izany ny akanjo mafana sy lamba firakotra amin’izao ririnina izao. Teo koa ny kidoro marobe hanoloana ireo efa potika.
Nisy koa ny fanohanana ireo ankizy sy tanora mifonja amin’ny fambolena sy ny famokarana, ahafahana mamatsy ara-tsakafo azy ireo.
Tanjona ny hananan’ireo ankizy tontolo milamina sy manaja ny maha olona na dia mifonja aza, izy ireo, araka ny nambaran’ny tale mpanatanteraky ny Fondation Axian, Isabelle Salabert. Miara-miasa akaiky amin’ny fikambanana Grandir Dignement izy ireo amin’ny fanatanterahana izany.
Tatiana A