Judo-Tompondakan’i Afrika : firenena 6 hatramin’ izao no ho avy eto

Hotontosaina ny 27 hatramin’ny 30 jolay izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja Judo, sokajy Junior sy Cadet. Araka ny vaovao voaray avy eo anivon’ny federasiona malagasin’ny Judo, firenena 6 hatramin’izao no efa nisoratra anarana ary raha tsy misy ny fiovana dia hitondra delegasiona mafonja ho avy eto Madagasikara avokoa izy ireo. Tsy mbola afaka mamoaka ny anaran’ireo firenena 6 ireo ofisialy ny FMJ, noho ny mety mbola hisian’ny fiovana. Ho an’i Alzeria manokana, manodidina ny 20 ny isan’ny delegasiona ho avy.
Mahakasika ny solontena malagasy, 36 mianadahy no handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, ahitana 18 mianadahy ny sokajy Cadet ary 18 miandahy ihany koa ny sokajy Junior. Hatramin’izao, mbola samy miatrika ny fanazarantena any amin’ny faritra misy azy ireo Judokas gasy ireo, noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana hiatrehana ny fampivondronana miaraka. Miantso ny fitondram-panjakana, araka izany, ireo atleta sy ny federasiona hijery akaiky ny fanomanana sy fiatrehana ity fifaninanana iraisam-pirenena ity.

Mi.Raz

Partager sur: