Nihaona tamin’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa, Vavitsara Rahantanirina Gabriella, ny delegasiona avy amin’ny OIT, ny faran’ny herinandro lasa teo, teny Ampefiloha. Ao anatin’ny fanamafisana ny fampidirana ny fiarovana sy ny fahasalamana eo amin’ny fampianarana teknika sy ny fiofanana arak’asa ny tanjon’ny dinidinika.
Ny OIT, amin’ny alalan’ny tetikasa Vision zero funds (VZF), dia mikendry hanohana ny minisiteran’ny Fampianarana teknika amin’ny famolavolana fandaharam-pampianarana mifantoka amin’ny fiarovana sy ny fahasalamana amin’ny asa. Hisy tantsoroka sy torohevitra omena ireo ivontoeram-panofanana rehetra, ahafahan’ireo mpiofana miomana hiditra eo amin’ny sehatry ny asa.
Fandraisan’anjara mivantana amin’ny fandaharanasan’ny OIT hisorohana amin’ny loza ateraky ny aretina, ny ratra ary ny fahafatesana any am-piasana ny tetikasa VZF. Ilaina ny mametraka fenitra fanofanana mifanaraka amin’izany hanatanterahana ny tetikasa iarahana amin’ireo ivontoeram-piofanana momba ny asa sy toeram-pianarana teknika hiantohana ny fiarovana ny ain’ny mpiofana dieny aty am-boalohany.
Vonjy