Mbola misy ny vondron-kery mikononkonona ny tetezamita, toy ny vondron’ny mpanohitra, andaniny. Ankilany, misy ny mpanao politika efa manomana fifidianana.
Tsy maty momoka akory, fa mbola andrasana ny fiafaran’ilay resaka fitondrana Tetezamita. Anisan’ ny novoizin’ireo mpanohitra, nandritra ny hetsika natao tamin’ny faran’ny volana jona lasa teo. Tapaka tamin’izany ny hananganana komity ho an’ny fanavotam-pirenena, araka ny nambaran’ny filoha lefitry ny RMDM, ny pasitera Tsarahame Edouard. “Tsy ankasitrahanay ny zotram-pifidianana ataon’ny Ceni. Hatsangana aloha ny komity ka hirosoana ny fikaonandoham-pirenena. Miafara amin’ny fitondrana Tetezamita izany”, hoy izy ireo.
Tsiahivina fa ahitana ny avy amin’ny RMDM sy ny C’Lera ary koa ny G5 ireo nivory nikaton-trano tamin’izany, teny amin’ny foiben’ny antoko HVM, Andraharo. Na izany aza, misy misabaka. Sady manohana Tetezamita no mirona amin’ny fifidianana ny sasany amin’izy ireo.
TGV, Tim, MMM,
Mihava Tour…
Mifanindran-dalana amin’izay mivoy hatrany ny tsy fankasitrahana ny Tetezamita ireo anisan’ny mety ho kandidà lehibe amin’ny fifidianana. Anisan’izany ny Tim. Efa nanao fanambarana ny amin’ny hirotsahany hofidina, ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc. Nandritra ny kongresin’ny antoko, natao ny sabotsy lasa teo no nanaovany izany.
Tahaka izany koa ny fanambaran’ny mpomba ny fitondrana toy ny TGV/Mapar. Ho azy ireo, tahotra ho amin’ny fifidianana ny Tetezamita sy ny fivoizana ny resaka zom-pirenena. Efa any amin’ny fifidianana koa ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny. Anisan’ny mitsipaka ny Tetezamita koa ny MMM. Hanao fanambarana rahateo, anio, ny filohany, Andrianainarivelo Hajo.
Efa nanome toky ny hanaovana ny fifidianana ny Ceni. Efa nikaro-bahaolana momba ny vola ny governemanta. Miaraka amin’ny fisokafan’ilay tahiry avy amin’ny iraisam-pirenena “Basket Fund” izany. Miroso tsikelikely ny fanomanana fifidianana.
Synèse R.




