Fanjakana sy ny eglizy katolika : mirary ny fitohizan’ny fiaraha-miasa ny Praiminisitra

“Mitondra ny fankasitrahana sy fankatelemana ny papa Fransoa ny fitondram-panjakana malagasy, tarihin’ny filoha Andry Rajoelina”, hoy ny kabarin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, tany Namahora, Morondava, ny faran’ny herinandro teo. Lahateny natao nandritra ny fanamasinana ho eveka mpanampy ao amin’ny diosezin’i Morondava, ny Mgr Rakotojaona Jean-Nicolas
Misaotra noho ny fanomezana fitahiana sy fahasoavana ho an’ny firenena malagasy amin’izao nanendrena eveka mpanampy izao izy. ”Ho amin’ny tombontsoa ambonin’ny firenena izany. Misaotra ny fivondronamben’ny eveka eto Madagasikara amin’ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny fitondram-panjakana sy ny eglizy”, hoy izy. Mirary ny hitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny fitondram-panjakana sy ny fiangonana katolika ny Praiminisitra. Nisaotra ny filohan’ny Fivondronamben’ny eveka eto Madagasikara sady evekan’i Morondava, ny Mgr Ralamboniaina Fabien, izy.
Zava-dehibe ny fisian’ny fifanakalozan-kevitra hijerena izay mahasoa ny firenena, indrindra ny tombontsoan’ny vahoaka malagasy. Nanan­titra ny fisaorana ho an’ny vahoaka ny praiminisitra. Anton’izany ny filaminana sy ny fitoniana asehon’ny rehetra. Indrindra fa anatin’izao fotoana manokana lalovan’ny firenena izao. Fotoana izay hiatrehana ny fifidianana filohan’ny Repoblika, alohan’ny faran’ny taona.

R. Nd.

Partager sur: