Anisan’ny fanomezan-danja ny dihy sy ny asa famoronana momba izany ny fanatanterahana ny « Festival international de danse de création ». Nohatevenina ny fandaharam-potoana ho an’ny andiany faharoa.
Hosokafana, anio, ny «Festival international de danse de création». Hivelatra sy hahazo sehatra lehibe kokoa raha oharina amin’ny teo aloha ity andiany faharoa ity. Hisy ny fihaonana sy fifanakalozana, ny fampisehoana amina toerana samihafa, fifaninanana isan-tsokajiny, ny fiofanana, sns. Maro hanaraka izany koa ireo mpandray anjara. Avy eto Antananarivo, Toamasina, Mahajanga, Antsirabe, Tchad, Mayotte, Congo, avy atsy amin’ny Nosy Maurice, La Réunion ary Allemagne.
Filaharana na «carnaval» lehibe hotanterahina eo amin’ny Araben’ny Fahaleovantena Analakely no hanokafana ny «Evasion danse II», anio maraina. Mpianatra avy amina sekoly maro no handray anjara amin’izany. Hifanindran-dalana amin’izany ny fanatanterahana «cirque», fanehoana fahaiza-mifehy ny zavamaneno ravaka hiarahana amin’ny Tambour Gasy. Hanasongadina ny fahaizany mandihy sy ireo sanganasany ihany koa ry zareo avy ao amin’ny kaompania Rary.
Eo anoloan’ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra kosa no hanatanterahina ny seho lehibe aorian’io «carnaval» io. Handray anjara amin’izany ireo nanatanteraka ny diabe sy ny kaompania Rary haneho ny «Rouge Rouge», ny kaompania Anjorombala hitondra ny «Tourbillon» ary ny Elatra 1 hanolotra ny «Tsiahy».
Rahampitso, hiditra anaty trano amin’izany ny hetsika. I Hery Ratsimbazafy no hanazava ny «Techniques et symboliques de la dit malagasy sur rythmique linéaire», etsy amin’ny CGM tohatohabaton’ Antaninarenina. Ny tolakandro, hanatanteraka seho «Zava» ao amin’ny IFM Analakely ny Labibliotekroz. Haneho ny «Corps passages» kosa ny Projet Dihy.
HaRy Razafindrakoto