Kolontsaina sy fanabeazana: nisokatra ny Alliance Française etsy Ankadimbahoaka

Manakaiky kokoa ireo izay mila azy. Tanjona apetraky ny Alliances Françaises maneran-tany io, ka tafiditra amin’izany ny fisokafan’ny sampan’ny Alliance Française eto Antananarivo, eny Ankadim­bahoaka. Notokanana, omaly, ity ivontoerana ho an’ny kolontsaina, ny fanabeazana sy ny fampianarana ny teny frantsay ity. Ao amin’ny Alhambara Gallery, rihana fahefatra no misy azy, vokatry ny fiaraha-miasan’ny AFT sy ny groupe Filatex.
“Mitovy amin’izay hita eny Andavamamba ihany ny eto Ankadimbahoaka: fampianarana ny teny frantsay amin’ny endriny rehetra, tranomboky, fanomezana sehatra ny zavakanto sy ny kolontsaina, sns”, hoy ny nambaran’i Monique Raharinosy, filohan’ny filankevi-pitantanan’ny AFT amin’izao fotoana izao.
Noho ny fahatsapana fa tokony hivelatra bebe kokoa ny asa aman’andraikitry ny Alliance Française eto Anta­nanarivo no antony hafa nanokafana ny rantsana faharoa. Hisantatra ny AFT An­kadimbahoaka ny “cours de vacances”, ho an’ny ankizy, ny tanora sy ny mpiasa izay te hanatevina ny fifehezany ny teny frantsay. Halamina eny am-pandehanana ny fampidirana ho mpikambana toy ny eny amin’ny AFT Andava­mamba. Tosika lehibe ho azy ireo ny fisian’ity rantsana vaovao ity, izay azo antoka fa handray anjara toerana lehibe amin’ny sehatry ny fanabeazana sy ny kolontsaina.
Amin’ny maha zava-dehibe azy izay, tonga nanome voninahitra ny lanonana fitokanana ny minisitry ny Fam­pianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa, Rahanta­nirina Vavitsara Gabriella sy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrazafy Lalatiana.

Zo ny Aina

Partager sur: