Natao ny 1 sy 2 ary ny 3 jolay teo, ny fankazalana ny faha-60 taona ny Tahirimbolam-panjakana. Hetsika ara-panatanjahantena sy ara-kolontsaina ny andro roa voalohany, tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Teny amin’ny CCI Ivato kosa ny andro fahatelo, « Andron’ny Tahirimbolam-panjakana ». Notolorana mariboninahitra ny mpiasa manerana ny Nosy amperinasa sy ny handeha hisotro ronono.
Tsy miova ny fanambin’ny Tahirimbolam-panjakana. Voalohany, ny fiarovana ny tahirimbolam-panjakana, ny fifanakalozana ny volam-panjakana. Faharoa, ny fahaiza-mitantana ny volam-panjakana sy ny kaontimbolam-panjakana. Fahatelo, ny fampiroboroboana ny tolotra ara-bola amin’ny asam-panjakana.
Maoderina sy matotra
Na teo aza ny krizy samihafa miseho, nahavita ny andraikiny hatrany ny Fitantanana foibe ny Tahirimbolam- panjakana (DGT). Vina vaovao apetraky ny DGT ny « Tahirimbolam-panjakana mivoatra, miasa mahitsy, ao anatin’ny mangarahara ary lavitry ny kolikoly ». Tahirimbolam-panjakana maoderina sy matotra. Ao anatin’izany ny fampiasana ny teknolojia niomerika ny fitantanan-draharaha, ny fampodiana ny vola vahiny, ny fanamafisana ny fiarovana ny antontam-baovao. Ary koa ny fametrahana vovonana tokana mba hanomezana tolotra mendrika ny manan-draharaha ao aminy.
Njaka A.