«Roa herinandro ny faharetan’ny fitsarana ny kopiam-panadinana ka hoezahina hivoaka aorian’izay ny valim-panadinana BEPC», hoy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena.
Mandray ny ankizy voafonja miatrika ny BEPC, toy ny isan-taona, ny foibem-panadinana Lycée JJ Rabearivelo. «Dimy lahy izy ireo no manala fanadinana amin’ity taona ity ary misy mpiasan’ny fonja manara-maso azy ireo mandritra ny hefarana», hoy ny proviseur-n’ ny lycée Rabearivelo, Rakotomalala Holy, omaly. 1 494 ny isan’ny mpiadina ka 83 ireo tsy tonga nanatrika ny tapany maraina. Mbola afaka manohy manatanteraka ny fanadinana izy ireo satria tsy misy ny «note éliminatoire» ho an’ny BEPC. 1 306 ny sokajy A, 189 ny sokajy B ho an’ireo mpiadina ao amin’ny lycée Rabearivelo. Misy mpiadina autiste iray koa fa miaraka amin’ny mpiadina rehetra izy fa tsy misy fepetra manokana ho azy. Roa isaky ny efitrano ny mpanara-maso ny fanadinana ary ampy avokoa. Tsy nisy nanadino taratasy fiantsoana sy karatra koa ny mpiadina rehetra ary nizotra tamim-pilaminana ny fanadinana.
Matematika sy Français ny anio
Ora telo no niatrehan’ny mpiadina ny taranja Malagasy, ny tapany maraina. Ampahan-dahatsoratra tao amin’ny boky nosoratan-dRandriamamonjy Esther, “Ho avy ny maraina” no namolavolana ny lahatsoratra hiasan’ny mpiadina. Voarakitra ao ny fahasahiranan’ny mpamboly mitatitra ny vokatra hamidy any an-tsena mamatsy ny mpanjifa noho ny haratsian’ny lalana any ambanivohitra. Mbola nifototra amin’ izay lalana izay ny famoronan-dahatsoratra notakina tamin’ izy ireo. “Antoky ny fampandrosoana ny fahatsaran’ny lalana”. Azo raisina tsara ny laza adina, hoy ny ankamaroan’ny mpiadina amin’ny sokajy roa. Matematika sy Français ny taranja roa hanadinana, anio tontolo andro.
Vonjy A.