« Evasion danse » II : Feno ny toerana « Masterclass »

Anisan’ny fandaharam-potoana lehibe hotanterahina ao anatin’ny «Evasion danse» II ny «Masterclass», tontosaina anio maraina, etsy amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM) tohatohabaton’Antaninarenina. Fantatra fa tsy misy intsony ny toerana ho an’izay mbola te hanatrika izany. Fiofanana nampitondraina ny lohahevitra : «Techniques et symboliques de la dit malagasy sur rythmique linéaire» izay hotarihin’i Hery Ratsim­bazafy. Aorian’io, hihaona eny an-toerana ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny dihy handinika ny fomba hampivelarana sy hampifandraisana ity taranjan-javakanto ity, aty amin’ny Ranomasimbe Indianina sy ao Afrika.
Marihina fa nosokafana, omaly, tamin’ny alalan’ny «Carna­val» nodimbiasan’ny fampisehoana dihy teo anoloan’ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra etsy Analakely, ny «Festival international de danse de création». Nifandimby naseho teny an-tsehatra ny soradihy «Rouge Rouge» niarahana tamin’ny Cie Rary. Ny «Tourbillon» nodihizin’ny Cie Anjorom­bala ary ny Tsiahy notanterahin’ny Elatra 1.
Hitohy rahampitso ao amin’ny IFM Analakely ny «Master­class». Ny Djodjo Kazadi no hitarika izany.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: