Fandaharana amin’ny fahitalavitra : naranty ny faha-10 taonan’ny Kolots’Art

Nomarihina ary naseho ho an’ny rehetra tetsy amin’ny AFT Andavamamba, afakomaly, ny faha-10 taonan’ny fandaharana Kolots’Art ao amin’ny Kolo TV. Naranty tamin’izany ny ankamaroan’ ireo asa tanana sy fahaiza-manao ary koa ny momba ireo mpanakanto. Teo ireo mpanakanto amin’ny hosodoko sy ny sary miisa 50. Eo koa ireo taozavatra sy asa tanana na “Tableau”… 15 taona ny zandriny indrindra amin’ireo mpanakanto raha anisan’ny zokiny indrindra kosa i Tiana Ra­parivo. Nambaran’ny tomponandraikitry ny fandaharana, i Minosoa Razafinimanana fa nifampizarana tamin’ireo mpanakanto sy ny mpijery izany 10 taona izany. “Ahitana zava-baovao hatrany sy ireo niavaka isan-kerinandro ary nahafinaritra avokoa izy ireny…”, hoy izy. Nanteriny fa ilaina fantatra avokoa ny ao ambadik’ireo mpanakanto ary ahalalana ny tantarany sy ny fahaiza-manaony ary ny aingam-panahin’izy ireo. Tena tafiditra ao anatin’ny tontolo mahafinaritra rehefa miresaka anaty fandaharana.
Natsidiny fa ezahina ny hanitarana ny fandaharana any amin’ny faritra sy ho fanandratana ireo mpanakanto. Eo koa ny hanomezana tantsoroka azy ireo eo amin’ny kanto ataony, araka ny nambarany hatrany. Haharitra hatramin’ny zoma izao ny hetsika,etsy amin’ny AFT.
Tsiahivina fa 10 taona tamin’ity taona ity koa ny fahitalavitra sy ny onjam-peo KoloTV/FM.

Synèse R.

Partager sur: