Nivory ny mpikambana ao amin’ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka ( Seces) , sampana Antananarivo, omaly. Tapaka fa homena hatramin’ny zoma ny fanjakana hijery ny fitakiana
Manana telo andro ny fanjakana hamahana ny olan’ny mpampianatra mpikaroka, araka ny fivorian’ny Seces, sampana Antananarivo, omaly. « Mbola ny ampahany kely amin’ny fangatahana voarakitra ao anatin’ny filankevitra nasionaly natao farany no fantatra fa an-dalana ny fanatanterahana azy. Voakasik’izany ny fandoavana ny ora fanampiny sy ny tambinkaraman’ny mpampianatra an-tselika (vacataire) », hoy ny filohan’ny Seces, sampana Antananarivo, Sammy Grégoire Ravelonirina, taorian’ny fivoriana.
Ny ampahany faharoa, 25% amin’ny karaman’ny « vacataire » ihany no hefain’ny fanjakana. Mbola tsy voaloa ny 75 % ho an’ny taom-pianarana 2018-2019. Mbola hakana hetra 10% izany. « Naneho ny fahatezerany ireo mpampianatra mpikaroka. Tsy tokony hakana hetra intsony ny karama ho an’ny asa an-tselika sy ny ora fanampiny satria tsy tafiditra anatin’ny sokajinasa voakasika », hoy ny fanamarihany.
Nilaza ny mpizaika fa diso ny filazan’ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Fampianarana ambony fa fitakiana enina amin’ny fito no voavaly hatramin’izao. « Miandry ny fanefana feno ny saran’ny ora fanampiny sy ny karaman’ny mpampianatra an-tselika ho an’ny taom-pianarana 2019-2021 sy ny taom-pianarana 2021-2022 ny mpampianatra mpikaroka. Eo koa ny fanatanterahana ireo décret telo sy ny indemnité samihafa », hoy izy ireo.
Manome fe-potoana hatramin’ny zoma ny sendikà hamalian’ny fanjakana ny fitakiana rehetra. « Rehefa tsy misy ny valiny mahafa-po, hiroso amin’ny fampiatoana ny fampianarana ny mpampianatra, ny alatsiniainy 10 jolay. Hivory ny talata 11 jolay hamaritana ny tohin’ny hetsika sy ny filazana fampiatoana tanteraka ny asa.”, hoy ny fanambarana.
Vonjy A. .