INSPC Mahamasina : misokatra ny lalam-piofanana efatra vaovao

Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny faha-20 taonan’ny Institut National de Santé Publique et Communautaire (INSPC) Mahamasina ny fanitarana ny lalam-piofanana. Hisokatra ny économie de la santé, médecine de travail, ny ingénierie biomédicale ary ny ingénierie informatique médicale. Nanambara izany ny taleny, Hanitriniala Sahondra­nirina, omaly.
Hanofanana manam-pahaizana manokana hikojakoja ny fitaovana hitsaboana marary eny amin’ny hopitaly ireo sampam-piofanana vaovao.
“Ialana amin’ny fandanindaniana amin’ny fividianana fitaovana izany. Fitaovana tsara sy maharitra ary hositrahan’ny besinimaro amin’ny vidiny mirary no tanjona”, hoy hatrany ny fanazavana. Ma­nome fiofanana matihanina ho an’ny dokotera sy mpiasan’ny fahasalamana, ny ivontoeram-piofanana. Ho afaka hiasa ara-dalàna amin’ny toerana natokana ho azy izay mahavita fiofanana. Manome tohana ara-teknika sy ara-tsiansa eo amin’ ny sehatry ny fahasalamana ihany koa ny sampam-piofanana vaovao.
« Tanjona ny hanatsarana sy hanavaozana ny asa fiofanana ka hampiakarana ny lentan’ny diplaoma avoaka », raha ny fanazavana hatrany.
Mampitombo ny traikefa amin’ny fitantanana ankapobeny sy amin’ny ady amin’ny areti-mifindra ihany koa ny INSPC. Fiofanana miainga amin’ny filan’ny minisitera no omena sehatra. Tanjona ny mba ho manam-pahaizana vonona sy mitondra avy ha­trany ny fahaiza-manaony eny anivon’ny fiarahamonina no voaofana.

Tatiana A

Partager sur: