Iza no handimby an’i Grand P? Efa fantatra aloha fa hisy mpanakanto afrikanina malaza ho avy any Sambava, amin’ity andiany faharoa amin’ny “Waka Waka Festival” ity.
Ho fararanon-danonana ny any Sambava. Handray ny andiany faharoa amin’ny “Waka Waka Festival” ny any an-toerana, ny 10 hatramin’ny 13 aogositra ho avy izao. Nampahafantarina omaly, ny andinindininy momba ny hetsika, tetsy amin’ny foiben’ny Telma Andraharo.
“Teraka tao Sambava tamin’ny taon-dasa, ary hitohy ao Sambava kanefa ho reharehan’i Madagasikara ity hetsika ity”, hoy ny nambaran-dRamangalaza Judicaël, ben’ ny Tanànan’i Sambava.
“Manana tanjona maro ny “Waka Waka Festival”. Eo aloha ny fifanakalozana ara-javakanto eo amin’ny samy firenena afrikanina sy eo amin’ ireo firenena eoropeanina. Ankoatra izay, manana tanjona amin’ny lafiny fiarahamonina hatrany izahay, isaky ny andiany. Tamin’ny taon-dasa isika nanao ezaka fanitarana sekoly. Amin’ ity kosa hanao ezaka trano fiterahana ao Sambava », hoy ny nambaran’i Shelby Florent, tompon-kevitra voalohany amin’ny “Waka Waka Festival” maneran-tany.
Andiany faharoa ny any Sambava, fa efa nitsangana ny taona 2007 ny “Waka Waka Festival”, tany Danemark. “Efa niresaka tamina mpanakanto frantsay maro, toa an-dry Patrick Bruel, Claudio Capéo, M.Pkora, sns, aho. Liana izy ireo fa miandry ny akony”, hoy kosa i Franck David, mpanao gazety frantsay mpikirakira ny vaovaon’ny mozika, izay lasa solontena maharitry ny Shelby Production eto Madagasikara.
Tsy mbola feno ny lisitry ny mpanakanto rehetra handray anjara, satria mbola anaty fifandresen-dahatra ny sasany. Ny efa azo antoka, ho avy i Jean Jacques B sy TNT avy any Côte d’Ivoire. Efa eto koa i Mikidache. Ho an’ny Malagasy mpanakanto, efa nahavita ny fifanarahana ry Rim-Ka, Ceasar, Black Nadia, Sisca, sns.
Zo ny Aina




