Any « Andafy » : mampahafantatra ny bagasy R’Imbosa

Raha ny fandaharam-potoana nomanina, nanomboka ny 16 jona teo ka hatramin’ny 24 jolay izao no hanatanterahin’ny R’Imbosa ny fampahafantarana sy fampitiavana ny bagasy any «Andafy». Mitondra endri-tseho samihafa izy efatra mianadahy (Mbosa sy Mimi ary i Lidy sy Vavah). Fampisehoana an-tsehatra, fifanakalozana, famelabelaran-kevitra, fampiofanana sy fampianarana, sns.
Anisan’ny andrasan’ny maro any Frantsa ny hanatanterahan’izy ireo ny «Master class» Paris, ny 9 jolay izao, manomboka amin’ny 4 ora tolakandro, ao amin’ny 68 Avenue de Flandre Paris 75019, M° Riquet. Fanontaniana maro momba ny hira sy ny ngadona bagasy no hovalian’izy ireo amin’io fotoana io. Hainao ve : iza izany «Jupiter» izany ? Aiza izany «Iarivo mirimo» izany ? Iza marina no namorona ny «Mifankatiava ihany» ? Inona no mampiavaka ny «tendry gasy» ? Inona ny atao hoe «angola» ?…
Anisan’ny seho farany nataon’ny R’Imbosa ny «Bagasy fiderana» notanterahina tao Vincennes. Noraisan’izy efatra mianadahy ho filamatra ao anatin’izao dia any «Andafy» izao ny «hiainan’ny Malagasy ny kolontsaina bagasy».

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: