Grand Sud Est: “Betsaka ny zavatra tsy mandeha eto »

Niresaka tamin’ny mpanao gazety, tetsy amin’ny Antenimi­eram­pirenena Tsim­ba­­zaza, ireo zanaky ny grand sud Est, omaly.Mitaky ny ha­mahana ny olana eo am-panajana ny lalàna velona izy ireo.
“Betsaka ny zavatra tsy mandeha araka ny tokony ho izy eto amin’ny firenena”, hoy ny mpitondra tenin’ny fikambanana, Vanovason Jean Adrien. “Tsy misy tohiny ny fanadihadiana”, hoy hatrany izy.
Nanapa-kevitra ny hanakatona ny toeram-piasany ireo mpiasan’ny Cnaps ma­nerana ny Nosy. Manoloana ny fanagadrana an’io tomponandraikitra io sy hanamafisana ny fitakiana. Nampidi­rina am-ponja vonjimaika noho ny resaka kolikoly tamin’ny fampidirana mpiasa vaovao eo anivon’ny Cnaps izy, araka ny vaovao.
Anisan’ny nanao fangatahana mahakasika an’ity tomponandraikitra ity ihany koa ny fikambanan’ny zanaky ny faritanin’i Fianarantsoa na ny Fiza­fafi. Nisintona lakolosy izy ireo amin’ny fisamborana sy fanagadrana ny zanaky ny faritany.

Mino

Partager sur: