Taona 2023-2024 : nivoaka ny tetiandrom-pampianarana

Mizara ho roa volana 5 ihany ny taom-pianarana vaovao 2023-2024. Hanomboka ny 4 septambra izao izany ka tsy hifarana raha tsy ny 28 jona 2024.

Nampahafantarin’ny mi­nisiteran’ny Fanabea­zam-pirenena, omaly, ny tetiandrom-pampianarana ho an’ny taom-pianarana vaovao 2023-2024. Mbola voatazona ny tombana isaky ny roa volana, izay hitsinjara 5.
Hanomboka amin’ny 4 septambra izao, araka izany, ny fidiran’ny mpianatra sady fanombohan’ny taom-pianarana vaovao. Tsy hifarana izany raha tsy ny 27 oktobra. Misy ny fiatoana ho an’ny fialantsasatry ny Toussaint.
Hanomboka ny 6 novambra indray ny roa volana faharoa ary hitohy hatramin’ny 22 desambra. Manomboka eo ny fialantsasatry ny Noely. Ny 8 janoary 2024 hatramin’ny 1 marsa 2024 ny roa volana fahatelo. Miato mandritra ny herinandro ka tafiditra amin’izany ny andron’ny vehivavy.
Miverina mianatra ny mpianatra manohy ny roa volana fahefatra ny 11 marsa 2024 hatramin’ny 26 avrily 2024. Manontany tena ny mpampianatra ny amin’ny fialantsasatry ny Paska satria ny 31 marsa ny andro Paska, eo ko ny 29 marsa, andro tsy ianarana ary ny 10 avrily Aid el Fitr.
Ny 6 mey hatramin’ny 28 jona kosa ny roa volana fahadimy mamarana ny taom-pianarana.
Tsy mbola nivoaka ny da­tin’ny fanadinana CEPE sy BEPC ho an’io taom-pianarana vaovao 2023-2024 io. Manahy ny mpampianatra sy ny ray aman-dreny sao ho aorian’ny fetin’ny 26 jona no hanatanterahana izany, efa variana amin’ny fety manko ny sain’ny ankizy ka tsy hifantoka amin’ny fanadinana intsony.
Araka ny tetiandro hatrany, hanomboka ny 21 aogositra ny fidiran’ny mpandraharahan’ny sekoly . Ny 28 aogositra ny fidiran’ny mpampianatra mandamina ny fandraisana ny ankizy. Tanterahina ny 28 sy 29 febroary ary ny 1 marsa kosa ny andron’ny sekoly.

Tatiana A

Partager sur: