Hotanterahina eny By pass, ny 20, 21, 22 ary ny 23 jolay ho avy izao ny tsenabe “Vitrine d’Atsimondrano”. Hetsika karakarain’ny Fikambanana Manasoa. Hampiranty sy handray anjara mandritra izany, ireo orinasa 250 (vaventy sy madinika) eny an-toerana. Toy ny tontolon’ny fambolena, fiompiana, asa tanana, fampiofanana, fampianarana… Tanjona ny hisian’ny tolotra sy tinady eo amin’ny sehatry ny asa sy hitsinjovana ny tontolo iainana. Tafiditra ao anatin’ny fanomezan-danja ny lafiny toekarena ny hetsika. Mba hanampiana sy hanasongadinana ireo orinasa rehetra amin’ny fanaovana asa tanana. Mbola maro ny olona tsy mahafantatra ireo karazana asa tanana azo hivelomana. Fotoana io ahafahana mampiseho izany. Hahazo vahana ihany koa ny seho ara-koltoraly sy ny tontolo iainana mandritra izany. Entanina sy hampianarina ny rehetra, tonga eny, amin’ny fanodinana ireo akora efa ratsy. “Fanamby tokony ho tanterahin’ny Malagasy ny hitsinjo ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fanodinana fako sy plastika, mba ho lasa akora vaovao azo ampiasaina”, hoy ny tomponandraikitry ny serasera ao anivon’ny Fikambanana Mana soa, Ramarozaka Roxane. Nilaza izy fa mampandroso ny firenena sy manampy ny hafa izany.
Mino