Mifarana anio ny fahafahan’ny olompirenena manamarina sy manitsy ny momba azy ao anatin’ny lisi-pifidianana, araka ny fe-potoana nomen’ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (CENI). Raha tsiahivina, nahazo 20 andro indroa miantoana, ny olompirenena tsirairay nanamarinana na nanitsina ny momba azy tao anatin’ny lisi-pifidianana, teny amin’ny fokontany misy azy avy.
Fanentanana maro no nataon’ny CENI, amin’ny olompirenena, ny hijereny ny momba azy ao anatin’ny lisi-pifidianana, mba hampangarahara ny fifidianana izay ho tanterahina eto amin’ny firenena. Manamarina ny momba azy, manitsy izay diso amin’izany, ireo no atao mandritra izany. Azo atao ihany koa ny mametraka fitarainana raha toa ka efa nisoratra anarana ny olompirenena kanefa mbola tsy ao anaty lisitra ihany. Mety ihany koa ny manao fanoherana amin’ny anaran’olona tokony tsy ho ao anaty lisitra nefa hita ao.
Ny olona rehetra no entanina hanatanteraka izany fijerena ny lisi-pifidianana izany. Fanovana tanteraka ny lisi-pifidianana mantsy no nataon’ny CENI fa tsy fanampiana ka mety tsy ho hita ao intsony ny olompirenena iray, na dia efa nifidy aza izy taloha. Miantso ny olompirenena, afaka mifidy, araka izany, ity rafitra manokana misahana ny fifidianana ity, hanatanteraka izany fanamarinana izany, ahafahan’ny olompirenena manatanteraka ny zony amin’ny fifidianana.
Lin (Mpianatra asa)