Baraingo indray ny ho fandraisan’anjaran’ny Barean’i Madagasikara, eo amin’ny lalaon’ny tany miteny ampahany na manontolo ny teny frantsay (Jeux de la francophonie 2023). Fihaonana tanterahina any Kinshasa, renivohitry ny Repoblika Demokratikan’i Congo, ny 28 jolay ka hatramin’ny 6 aogositra ho avy izao.
Araka ny fanadihadiana natao, tapitra ny talata 4 jolay lasa teo, ny fe-potoana farany handefasana ny anaran’ireo mpilalao any amin’ny tomponandraikitra misahana ny lalao any Congo. Ny vaovao voaray teo anivon’ny federasiona no nahalalana fa efa nandefa ny anaran’ireo mpilalao 20 tany amin’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena izy ireo, nialoha ny 23 jona lasa teo. Hatramin’izao anefa tsy mbola naharay valiny avy amin’ity rafitra misahana ny fanatanjahantena eto Madagasikara ity, ny federasiona ny amin’ny tohiny, toy ny fikarakarana ny pasipaoron’ireo mpilalao, indrindra ny fanohizana ny fampivondronana, izay anjara andraikitry ny fitondrana. Izy ireo mantsy no miantoka ny vola hanatontosana izany.
Very fanahy mbola velona, araka izany, ireo mpilalaon’ny Barea, amin’izao fotoana izao, miandry izay ho tohiny. Efa niato rahateo ny fanazarantena iombonana noho io tranga io. Eo am-piandrasana ny fampivondronana ho an’ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023), koa ireo mpilalao ankehitriny.
Tompondaka