Andriatsizehena Benja Urbain: “Ahitsy ny lalàm-pifidianana, ovaina ny governemanta”

Nitondra ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena, ny eo anivon’ny antoko RPSD. Nambaran’ny filoha nasionaly, Andriantsizehena Benja Urbain (Bebain) fa tokony hirosoana ny fifidianana. Name­traka fepetra anefa izy ireo. “Kitihina sy hatsaraina ny lalàm-pifidianana. Ovaina ny mpikamban’ny governemanta hitantana ny fifidianana. Mba tsy hitanila na hiandany ireo minisitra voatendry. Vonona ny hitondra traikefa ahatonga­vana amin’ny fifidianana eken’ ny rehetra izy ireo”, hoy izy. Anisan’ny dingana ahaton­gavana amin’ny fikitihana ny lalàna ny fiantsoan’ny governemanta fivoriana tsy ara-potoana ireo parlemanta. Ani­san’ny antoko mitaky fifidia­nana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra ny RPSD.
Etsy andaniny, nanambara Andriantsizehena Benja Urbain fa miandry ny lisitry ny kandidà ofisialy havoakan’ny HCC hiatrika fifidianana ny RPSD vao haka fanapahan-kevitra. “Hivory izahay na hanao kongresy. Hojerena ny vinan’ireo kandidà. Hotoha­nanay ny mpirotsaka hofi­diana manana fandaharanasa mitovitovy amin’ny anay”, hoy izy.
Ankoatra izany, nisaotra ny fitsarana sy ny fanjakana ny tenany tamin’ny namoahana tany am-ponja ny tale jeneraly vonjimaika, eo anivon’ny Cnaps. Nihaino ny vahoaka sy ny olobe ary ny feon’ny faritra izy ireo, araka ny nambarany.

Synèse R.

Partager sur: