Hahazo fampitaovana ireo fonja vao natsangana eto amin’ny Nosy. Nankatoavina ny hampiasana ny ampahany amin’ny tetibolan’ny minisiteran’ny Fitsarana hanaovana izany.
Nahazo fankatoavana hampiasa ny ampahany amin’ny tetibolany ny minisiteran’ny Fitsarana. Ho fampitaovana ny fonja vao natsangana no antony hanetsehana izany tetibola izany. Fandriana sy kidoro vaovao no hovidina. Fonja misy fiarovana manokana (Maisons de force), ao Toamasina sy Ihosy, sy ny fonjabe (maisons centrales) ao Belo Tsiribihina, Amboasary Atsimo, Ambositra, Antananarivo Avaradrano no hahazo izany fampitaovana vaovao izany. Nandritra ny filankevitry ny minisitra, omaly, no nankatoavana izany, tanatin’ny fampitana am-bava nation-dRandriamanantenasoa Landy Mbolatiana, minisitry ny Fitsarana.
Mitohy hatrany ny fanatsarana ny famonjana eto Madagasikara. Taorian’ny fametrahana ny paikady vaovaon’ny famonjana, hisy indray, araka izany, ny fampitaovana ireo fonja vaovao. Tafiditra ao anatin’ny fampanarahana fenitra ny fonja, hisian’ny fanajana ny zon’olombelona sy ny zon’ny voafonja izao mba hisian’ny famonjana ara-dalàna sy manaraka ny fenitra eto Madagasikara. Ankoatr’io, maro ny adisisika sy atrikasa ary fiaraha-miasa ataon’ny minisiteran’ny Fitsarana amin’ny fanjakana sy ny vondrona tsy miankina. Anisan’izany ny fitsirihana matetika eny anivon’ny fonja ataon’ny tomponandraikitra, ny fampitaovana nentin’ny fikambanana ho an’ny voafonja, ny fametrahana paikady vaovao ho an’ny famonjana, ary izao fikitihana ny tetibolan’ny minisitera ho fampitaovana ny fonja vaovao izao.
Lin (Mpianatra asa)




