Nivoaka, omaly, ny gazety boky Politikà, andiany faha-31, iandraketan’ny Friedrich-Ebert-Stiftung (FES Madagascar). Miresaka lafin-javatra maro misy eto amin’ny firenena ny votoatin’ny lahatsoratra ao anatiny. Nosafidiana manokana ny famoaboasana mikasika ny Tetezamita. “Tsapa fa miverina foana matetika io teny io, indrindra rehefa fotoam-pifidianana sy tranga politika toy izao”, hoy ny tonian-dahatsoratry ny Politikà, Andriamanambe Raoto. Mirongatra hatrany ny Tetezamita rehefa mihenjana ny toe-draharaha politika na vao mainka miha mitombo ny fitiavam-pahefana, araka ny lahatsoratra nosoratan’izy ireo. Antony mahatonga ny mpanao politika sasany eto amin’ny firenena mirona amin’izany. Voaresaka ao ihany koa ny fomba handresen-dahatra ny olompirenena, handray anjara amin’ny fifidianana.
Azo henoina sy arahina any amin’ny tambajotra sosialy sy tranokalam-pifandraisana avokoa ny lahatsoratra tsirairay avy ao anatin’ny gazety boky.
Mino




