Beach rugby: hampiavaka ny « Festival des Baleines »

Hiavaka ny « Festival des Baleines » any amin’ny Nosy Sainte – Marie amin’ity taona ity. Misy karazana lalao ara-panatanjahatena maro. Sambany hisy ny Beach rugby.

Hotanterahina ny 15 -23 jolay ho avy izao, any amin’ny Nosy Sainte-Marie, ny «Festival des Ba­lei­nes 2023». Araka ny fanambarana nataon’i Claude Henry, filohan’ny fikambanana 974 Action, tetsy Tsaralalana, omaly, dia hisy lalao Beach rugby. Taranja ara-panatanjahantena hampiavaka ny hetsika, izay tafiditra amin’ny lohahevitra «Esprit Beach».
Nomarihin’ny lehiben’ity fikambanana ity fa natao ho an’ ireo tanora lahy sy vavy «mixte», 14-17 taona ny Beach rugby, izay lalaovin’ olona dimy. Raha ny fanazavana voaray, miisa telo ireo mpisolo toerana amin’ity taranja ity ary maharitra enina minitra ny fe-potoana hilalaovana.
Handray anjara amin’io fotoana io ny nosy rahavavy La Réunion sy ny mpilalaon’ Anjouan Comores. Ho an’ny eto an-toerana, ny ekipa voa­fantin’Akamasoa sy ny faritra Betsiboka, sy ireo fokotany 17 avy ao Ste Marie no hifaninana amin’izany.
“Andeha ho any La Réu­nion ireo ekipa voafantin’i Ste Marie, ny volana oktobra ho avy izao”, hoy ny lehiben’ny 974 Action. Araka ny nambaran’ireo mpikarakara, mbola misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo ekipa maniry ny handray anjara amin’ireo fifaninanana ara-panatanjahatena ireo.
Tsiahivina fa nanomboka ny taona 2009 ity taranja ity no nampidirina tamin’ireo firenena mpikambana amin’ny ranomasimbe Indianina.

Ankoatra ny Beach rugby, hisy ny taranja hafa toy ny baolina kitra amin’ny torapasika Beach soccer sokajy “senior”, tsipy kanetibe, ny Golf, ny hazakazaka lakana “Course pirogue”. Tsara ny mampahafantatra fa misy loka goavana hozaraina amin’io fotoana io. Anisan’izany ny fanomezana «maillot» an’i Tou­louse, tompondakan’i Fran­tsa taranja rugby tamin’ity taom-pilalaovana ity.

Fitia

Partager sur: