Tsy ny mpilalao ihany no mamiratra fa eo ihany koa ny mpitsara lalao. Nahazo fanendrena hitsara, mandritra ny fifaninana “Nations League Africa North “, hatao any Alzeria, ny Malagasy mpitsara iraisam-pirenena, Andriamanantsoa Tojonirina Harilala. Firenena miisa 6 eo amin’ny sokajy zazalahy, miampy firenena 6 eo amin’ny sokajy zazavavy no mandray anjara amin’ity fifaninana ity. Voakasika izany ny sokajy latsaky ny 23 taona. Araka ny fitsipiky ny lalao, handray anjara avy hatrany amin’ny dingana famaranana ho an’ny Sokajy latsaky ny 23 taona, hatao any Ulanbaatar, Mongolia, izay tompondaka amin’ity fifaninanana ity.
Tsiahivina fa tsy vao izao no nitsara lalao iraisam-pirenena goavana toy izao i Tojo. Efa voatendry toy izao koa izy, ny volana aogositra 2022, tany Egypte. Fiofanana maro tany ivelany sy teto an-toerana no nataon’Andriamanantsoa Tojonirina Harilala, nahatongavany tamin’ny sehatra matihanina toy izao ary nahazoany ny diplaoma ahafahany mitsara lalao iraisam-pirenena, eo amin’ny taranja basikety.
Mi.Raz




