Minisitry ny Fitsarana : “Na ny fanjakana aza azo torina”

“Tsy misy ny ambonin’ny lalàna, fa na ny fanjakana aza azo toriana”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanan­te­nasoa Landy Mbolatiana, tany Mahajanga, omaly. Ta­min’ny lanonana nametrahana ny filohan’ny Fitsarana misa­hana ny ady atao amin’ny fanjakana, Rabehaja Mirindra, no nanambarany izany. No­hama­fisiny fa tsy mitanila ny fitsarana, malalaka amin’ny asany, mitsara araka ny rariny sy ny hitsiny.
Tsy miteraka fanagadrana ny didy avoakan’ny Fitsarana misahana ny ady atao amin’ny fanjakana, araka ny namba­ran’ny mpitsara Rabehaja Mirindra. Manitsy ny didim-panjakana noheverina fa tsy ara-dalàna ka miteraka fahavoazana ho an’izay nampiharana azy ny asan’izany fitsarana izany. Nasiany teny koa ny vinan’asa hoentina manasongadina ny asa aman’andraikitr’izany rafi-pitsarana izany.
Anisan’izany ny fitetezana ny distrika mandrafitra ny faritanin’i Mahajanga. Hitondrana fanofanana ho an’ny tomponandraikitra any ifotony amin’ ny fitantanan-draharaham-panjakana. Ho hampahafantarina azy ireo ny andraikitry ny fitsarana misahana ny ady atao amin’ny Fanjakana.

Nisy dinika nataon’ny minisitry ny Fitsarana tamin’ireo mpitsara any an-toerana. Voa­resaka ny fomba hanatsarana ny fomba fiasa. Teo koa ny fihaonany tamin’ireo mpirakidraharaha, nanazavany ireo foto-kevi-dehiben’ny fitsarana : ady amin’ny kolikoly, tsy mitanila, manakaiky vahoaka…

R. Nd.

Partager sur: