Nihaona tamin’ireo mpivarotra tetsy amin’ny Tranompokonolona Isotry, omaly, ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina. Ireo mpivarotra etsy amin’ny Esplanade Analakely sy ny manodidina no nidinika tamin’izany.
Niompana tamin’ny tetikasa fandaminana sy fanatsarana ny tsenan’ny Esplanade Analakely ny resaky ny roa tonta. Hatao box mitovy avokoa ny tsena rehetra ao anatiny, fefena tamboho ary hasiana vavahady lehibe miditra ao an-tsena. Apetraka ihany koa ny toerana hahafahan’ny fiara mijanona (parking).
Sady endriky ny tanàna no mampivoatra ny asan’ny mpivarotra ihany koa ny fanovana sy fanatsarana entina. Nankasitraka izany indrindra ireo mpivarotra.
Tanjona ny fampidirana ny mpivarotra ho ara-dalàna. Ankoatra izany ny fampidirana ireo mpivarotra amoron-dalana manodidina ao anaty tsena. Mahazaka mpivarotra aman-jatony ny tsena ary hisy ny karatra maha matihanina sy ny “certificat d’occupation” izay hozaraina.
Hanamarinana ny maha tompony tanteraka ny tsena izany.
Marihana fa ireo mpivarotra efa teo ihany no hampidirina ao an-tsena ary tsy hisy intsony ny fampidirana mpivarotra vaovao.
Tsy tokony hisy ny fakana vola hafa ankoatra ny haban-tsena raha ny fanazavana nataon’ny ben’ny Tanàna hatrany.
Tatiana A




