Mpampandro jiolahy: voasambotra i Rasta, mpilalao ody ratsy

Tra-tehaky ny zandary teny Ankadikely Ilafy i Rasta. Sady mpilalao no mpamatsy ody ratsy ny jiolahy eto an-drenivohitra. Mpidoroka sy mpivarotra zava-mahadomelina koa.

Ela nikarohana azy ny mpitandro filaminana. Voasambotra tao an-tranony, teny Ambohibe, kaominina Ankadikely Ilafy, i Rasta,ny zoma lasa teo. Na­tolotra ny fampanoavana ny ampitso ihany. Nidoboka am-ponja avy hatrany afakomaly. Voarohi­rohy ho mpanome ody ratsy sady mpampandro jiolahy izy. Ankoatra izany, misy fandikan-dalàna maro hanenjehana azy toy ny halatra moto, fitazonana ody ratsy, fikambanan-jiolahy, fampiasana hosoka, fandrahonana ho faty ary trafikana zava-mahadomelina.
Mialokaloka any Ambohi­be, kaominina Ankadikely Ilafy izy, ao amin’ny trano fandraisany ireo olona mila ny tolotra avy aminy. Toy ny mpaka ody ratsy, izay olon-dratsy ny ankamaroany. Tratra teo am-pifohana zava-mahadomelina izy, nandritra ny be midina nataon’ny zandary. Nisy ny fisavana ity trano izay toeram-piasany ity, nataon’ny mpitandro filaminana. Hita tao ny ody ratsy, baramina, zava-mahadomelina, karapanondro ho­soka ary ireny tavoahangy fifohana zava-mahadomelina ireny na Bong (Tavoahangy nasiana pipa hifohana rongony). Nomarihin’ ny zandary fa mponina eny amin’ny faritra IVO Antohoma­dinika izy fa eny Ankadikely Ilafy no miery sy manao ny asa ratsiny.
Araka ny fampitam-baovao tamin’ny zandarimaria, efa nangalatra moto, tao Anta­nambao Ambohiman­gakely, izy, ny vola­­na mey 2023. Tsy nitory ny tompon’ny moto noho ny fandrahonana ho faty nahazo azy. Afa-maina ity mpilalao ody ity.
Maro ny olona tonga nijoro vavolombelona nandritra ny famotorana azy. Nanamafy izy ireo fa anisan’ny mpamaky trano sy mpanakan-dalana eo anelanelan’Ambohimangakely sy Ankadikely Ilafy i Rasta. Mpi­tarika olon-dratsy eo amin’ny manodidina..

Jean Claude

Partager sur: