Trafikan-jaza: haondrana any Co­mo­res ny lasibatra

Naiditra am-ponja vonjimaika ny teratany kaomorianina roa, voarohirohy ho tompon’antoka tamina fikasana hanondrana an-tsokosoko zazamenavava hihazo ny Nosy Como­res. Olona enina izy no ao anatin’ity tambajotrana mpanao trafikana zazakely ity. Nahasambotra azy ireo ny polisy miasa ao amin’ny “service central des enquêtes spécialisées”, Anosy. Ny 1 jolay lasa teo, saika hiondrana ho any Comores, niaraka tamin’ny zazamenavava hivoaka ny sisintany izy ireo.
Noho ny angom-baovao sy ny fiaraha-miasa tamin’ny loha­ranom-baovaon’ny polisy. Tsy afaka niala teto Madagasi­kara ilay zaza sy ny mpanao trafika. Voasakana teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ireo olon-dratsy. Tsy ara-dalàna ny antontan-taratasy momba ny zaza. Niaiky heloka ireo kaomorianina tamin’ny fanadihadiana. Misy teratany Ma­lagasy niara-niasa tamin’izy ireo ka anisan’izany ny renin’ilay zazakely sy ny lehilahy iray nanampy azy. Mbola misy mpiray tsikombakomba karohina.
Ankoatra azy mirahalahy teratany vahiny, hampidirina am-ponja koa, ny renin’ilay zazakely. Miandry ny fivoahany hopitaly izany.

Jean Claude

Partager sur: