FANTINA sy FINTINA

Hivoaka amin’ny 20 jolay ny rejisitra nasionaly taorian’ny nifaran’ny fe-potoana nahafahan’ny olompirenena manamarina farany ny anarany tao anaty lisi-pifidianana. Miditra amin’ny fampiakarana ny lisitra sy ny takelaka fanisana eny foibe informatika eny anivon’ny distrika ny rantsamangaikan’ny Ceni avy eny amin’ny fokontany, ankehitriny.
“Hiara-miasa ny ady amin’ny kolikoly. Asa vadi-drano, tsy vita raha tsy ifanakonana”, hoy ny tale jeneralin’ny Bianco, Andrianirina Laza Eric Donat. Navoitran’izany tamin’ny fankalazana ny andron’ny tambajotran’ny tanora mandala ny fahitsiana sy ny fahamarinana, teny Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo.
Ny depiote Velonanosy Zita no misolo toerana ny depiote Rémi na Djao Jean, voafidy tamin’ny anaran’ny IRD, tao Antsohihy, faritra Sofia. Izay no fanapahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), lah. 03-HCC/AR, tamin’ny 5 jolay lasa teo. Tsiahivina fa nodimandry tamin’ny 23 jona teo ny depiote Rémi.
Manohana sy miaro ny hoe tokony hahitsy ny lalàna momba ny fizakana zom-pirenena ny Organisation Mijoro Mandroso (Mi.Ma) Madagascar. Efa nisy tolo-dalàna ny amin’izany eny amin’ny Antenimierampirenena, tamin’ny 2021. Mandrisika ny fahefana mpanao lalàna handinika sy handany izany ry zareo. Ny lalàna no mandravona ny adihevitra.

Partager sur: