Mbola hisy fifaninanana, hataon’ny federasiona malagasin’ny atletisma hifantenana farany ireo hiatrika ny lalaon’ny Nosy. Tsiahivina fa efa nisy ireo voatsonga mialoha, taorian’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, natao tetsy Mahamasina, ny 30 jona ka hatramin’ny 2 jolay lasa teo.
Notanterahina teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, afakomaly, ny andro faharoa, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, rugby sokajy vehivavy. Nisongadina ny SCB Besarety, nandresy ny RCTS, tamin’ny isa 89 no ho 7. Nandresy tsy niady kosa ny FTFA Antohomadinika rehefa tsy tonga ny 3FB.
Norombahin’ny ekipam-pirenen’i Maroc ny amboaran’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika 2023, ho an’ny sokajy U23. Lavon’izy ireo tamin’isa 2 no ho 1 i Egypte, nandritra ny fihaonana natao ny asabotsy lasa teo, tao amin’ny kianjan’ny Prince Abdellah Stadium.