Fanadinana BEPC : betsaka ny Cisco efa namoaka ny vokatra

Am-polony ireo Cisco efa namoaka ny voka-panadinana BEPC hatry ny sabotsy teo. Anisan’izany ny Cisco Ambatomainty, Ambohidratrimo, Andramasina, Anjozorobe, Antanifotsy, Befotaka, Beloha, Beroroha, Faratsiho, Iakora, Ifanadiana, Mandoto, Manjakandriana ary Morafenobe.
Miandry ny fivoahan’ny vokatra ny mpiadina eto Antananarivo Renivohitra. Hivoaka amin’ny herinandro ny vokatra, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Eo am-pamindrana ny naoty anaty solosaina izy ireo, ny faran’ny herinandro teo. Mifarimbona amin’izany ny tomponandraikitra mba tsy hisy latsaka.
Tsara ny vokatra ho an’ny Cisco Anjozorobe. Nahatratra 71,15% ny taham-pahafahana.
Karazany telo no ahafahana mijery ny voka-panadinana raha ny toromariky ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Voalohany, ny petadrindrina eny amin’ny foibem-panadinana rehetra.
Faharoa ny tranokalan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena hanoratana ny anarana sy ny laharan’ny mpiadina. Fahatelo, ny laharana maitso amin’ireo mpandraharaha ara-pifandraisana telo misy eto amintsika. Afaka handefasana hafatra mirakitra ny anarana sy ny laharan’ny mpiadina ka mivaly eo no ho eo izany.

Tatiana A

Partager sur: