TSELATRA

Hataraina ny an’ireo olona teny amin’ny manodidina an’Anosy, omaly, nahita tovovavy iray tsy salama saina niboridana nivezivezy teny amin’ny arabe. Tsy fantatra mazava ny mombamomba azy fa izy efa nisasa tao anaty ranom-potaka no hitan’ny olona. Mitabataba tsy misy toy izany izy. Niezaka nanome akanjo sy nanala azy ny olona, saingy tsy nanaiky izy.

Hiakatra fitsarana, ny 25 jolay 2023 ho avy, izao ireo olona dimy voarohirohy tamin’ilay raharaha fanalam-baraka ny Jly Serge Gellé. Heloka anenjehana azy reo ny fanaovana fikambanan-jiolahy, fampirisihana ho amin’ny fankahalana amin’ny facebook, fanendrikendrehana. Tompon’ny pejy Tsy
aritra ifampizarana ny sasany amin’izy ireo.

Tafaporitsaka ireo jiolahy nikasa hanafika toeram-pivarotana iray eny Anosizato Andrefana, omaly alina. Nitondra zava-maranitra izy ireo ka efa nisokatra ny varavaran’ny tsena. Henon’ny tompony anefa izany ka raikitra ny antso vonjy. Tsy nahazo na inona na inona ireo olon-dratsy.

Tratran’ny polisy tao Bealanana, omaly, ilay tovolahy 13 taona nahavita nanolana ny anabaviny vao 12 taona. Namoy ny ainy ilay niharam-boina noho ny herisetra nanjo azy. Taorian’ny fitarainana nataon’ny fianakaviany, tonga nijery ny zava-nisy ny polisy. Voamarina tokoa ny fisian’ny fanolanana

Partager sur: