“Festival Somarôho”: hisy mpanakanto efatra avy any ivelany

Hiditra amin’ny andiany faha-10 ny “Festival Somarôho”. Hanatevin-daharana ireo mpanakanto avy eto an-toerana ry zareo avy any ivelany. Efatra ireo vahiny handray anjara mandritra ny “festival”.

Haharitra roa herinandro, manomboka ny 2 jolay-13 aogositra ny festival “Somarôho Océan Indien”, andiany faha-10. Hotantera­hina any Nosy-Be Hell Ville, karakarain’ny tarika Wawa ny hetsika. Iarahany miasa amin’ ny Telma Madagasikara sy ny THB. “Hetsika ara-kolontsaina, natao hialan’ny rehetra voly izy io satria anatin’ny fotoana fialantsasatra tanteraka”, hoy i Wawa, lehiben’ny tarika sady mpanorina ny “festival”. Ho lehibe sy hiavaka ny hetsika amin’ity taona ity, satria ahi­tana seho ara-kolontsaina ma­lagasy marobe. Hosokafana amin’ny fanaovana “carnaval”, ahitana “miss” sômaroho, fampisehoana goavana hafanain’ ny mpanakanto iraisam-pirenena, aty amin’ny ranoma­simbe Indianina. Efatra ireo mpanakanto avy any ivelany hanafana izany: Says’Z, avy any Frantsa, Zily avy any Mayotte, Alain Ramanisum avy any Maurice ary Goulam avy any Frantsa. Ahitana Malagasy mpanakanto maro koa toa ny tarika Oladad, Basta-Lion, Rijade… Ankoatra izay, hisy fialamboly sy fifaninanana ara-panatanjahantena, andraisan’ ny mponina anjara koa. Hisy ny fizarana loka ho an’ireo handray anjara amin’ny fividianana tapakila sy fandefasana hafatra.

Hanamboarana “parc” ho an’ny ankizy
“Ezaka ataon’ny tarika ny hanangana toeram-pialana voly ho an’ny ankizy any an-toerana”, hoy hatrany izy. Natokana hanamboarana izany ny vola azo amin’ny hetsika. Mba hanentanana ny ankizy sy ny tanora mano­loana ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina eto amin’ny firenena. Tanjona ny hisarihana mpizahatany marobe hitsidika ny tanàna. Hanomezana fahafaham-po ny mpankafy koa amin’ny alalan’ny seho sy he­tsika isan-karazany. 130 000 ireo olona andrasana ho avy hanatrika ny hetsika mandritra ny roa herinandro, raha ny fanazavana. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-20 taona nijoroan’ny tarika Wawa ny hetsika.

Mino

Partager sur: