Efa fotoam-bita! Tapitra ny alakamisy 20 jolay ny fanadinanana bakalorea eto Madagasikara. Io alakamisy io koa ny “Manala azy” hatramin’izay. Hiditra amin’ny andiany faha-30 ny “Manala azy” miaraka amin’ny Olombelo Ricky amin’ ity, ao Antsahamanitra ihany, hanomboka amin’ny 5 ora hariva.
“Mbola mijery ny “Manala azy” miaraka amin’ny Olombelo Ricky ve ireo mpanala fanadinana amin’izao?” Fanontaniana efa nipetraka an-taonany maro izany. Eny foana ny valiny. Amin’ny maha kolontsaina efa tafapetraka azy, tonga mirevy ny fampisehoana mozika ranoiray ireo tanora. Matetika misy izay vao nahita ka lasa mpankafy aty aoriana. Ny tena mpameno ny toerana kosa dia ireo tena niaina ny “Manala azy” tany aloha, ka mahatsiaro isan-taona ary mametraka izany ho fotoana tsy azo dinganina. “Taranaka mpanala azy” no hiantsoana ireto mpankafy ireto, ary marobe ireo efa miaraka amin’ny zanany avy manala baka ihany koa.
Tsy tontan’ny ela ry “Tsy mety milaza”, “Kalangita”, “Kopakopa-tanana”, “Amorom-parihy”, “Mivibra”,”Ditsoka”,, sns. Fa tsy nijanona tamin’ireny ny famoronana ho an’ny Olombelo Ricky sy ny tariny. Mifanohy tsara tamin’ny taloha ny vaovao anatin’ny “Tsikombakomba mozika”, toa ny “Angano angano”, “Mandalova”, “Ambarao anay”, sns. Matetika tsy misaraka raha tsy samy afa-po rehefa “Manala azy” hatramin’izay.
Zo ny Aina