CUA : vonona hamita ny andraikiny ny mpiasa

Nisy ny fihaonana teo amin’ireo mpiasa sy ny mpitantana eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, omaly. Notanterahina tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely izany. Nitarika ny fihaonana ny solontenan’ny ben’ny Tanàna, Razafimandimby Rija Ethel Niaina sy ny lehiben’ny Vondrona monisipaly, ny kaomisera Whenss Ostrom. Maro ny lahadinika nifampiresahan’izy ireo nandritra izany. Anisan’ny voalaza tao ny fampahafantarana mikasika ny fandefasana ny karaman’ny mpiasa any amin’ny banky (virement bancaire) sy ny fomba fikirakirana ny «bon de caisse». Nampahafantarina ireo mpiasa koa fa tsy maintsy aloa mialohan’ny faran’ity volana ity ny karama volana jolay. «Ankoatra izay, nilaza fa vonona hanatanteraka ny asany antsakany sy andavany ireo mpiara-miasa rehetra», hoy ny mpitarika ny sendika mahaleo tena eo anivon’ny kaominina sady mpitondra tenin’ny mpiasa tonga nanatrika, i Jaona. Tonga teny an-toerana ihany koa ny eo anivon’ny SMKAR. Azo lazaina ho nilamina ny dinika tamin’ny ankapobeny.

Mino

Partager sur: