Rehefa hita ny fototra… : mila miaina amin’ny kolontsainy ny Malagasy

Tsy handeha hitsangatsangana ireo vahiny tonga teto Madagasikara. Nitondra sy nametraka ny momba azy, izy ireo. Tao anatin’ny fotoana fohy nahazo faka ireny.

Laharam-pahamehana ho an’ny vahiny tonga teto Madagasikara ny famo­tehana ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao malagasy. Mbola manao randra-mitarika izany taty aoriana satria namela dimby sy fara izy ireo. Tsy nijanona hatreo amin’ny fandravana ireto mpanjaka­zaka an-tanin’olona ireto fa nanolo izany tamin’ny azy. Nanomboka teo, ny sisa tsy potika lasa sadasada. Nanjary tsy fantatry ny Malagasy intsony ny momba azy. Raha ireo dingana nanova sy namotika ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao malagasy ireo, ilaina ny mitady ny fototra. Faharoa, iainana izay hita mba tsy ho lasan-ko vavany fotsiny ny fananana azy.
« Aza ny lohasaha man­gina no jerena fa Zanahary an-tampon’ny loha ». Io no manamporofo fa mahafantatra tsara momba an’Ilay Nahary azy ny Malagasy. Mila iainana sy hampahafantarina ny taranaka fara sy dimby io raha tiana tsy handaitra ao anatin’ ny fiarahamonina malagasy ny filazan’ny vahiny fa : « izahay no nampahafantatra ny Malagasy ny fisian’Andriama­nitra » !
Mila mahay ny mpanabe

Andraikitra lehibe no hosahanin’ny ray aman-dreny, ny mpitarika isan-tsehatra, sns, raha hanatanteraka ireo dingana roa ireo. Mitaky mpa­nabe mahay momba ny kolon­tsaina sy ny fomba amam-panao ny fiarahamonina mala­gasy mba hahaizany sy hiainany indray ny fototra nave­lan’ny razany. Andraikitra izay manery ny mpanabe hianatra tsy tapaka.
Ho mora kokoa ny fampi­tana raha hatsofoka na hampidirina ao anatin’ny fandaharam-pianarana. Miainga any amin’ny ambaratonga fototra ka hatrany amin’ny ambaratonga ambony ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao malagasy. Tahaka izany koa, rehefa mety ho seha-panabeazana (fikambanana…), manatanteraka tahaka izany avokoa.

HaRy Razafidrakoto

Partager sur: