Fampianarana mozika : nifampizara ny Anac sy ny sekoly avy any Italia

Tontosa, omaly, teny amin’ ny Academie nationale des arts et de la culture (Anac), Anosy, ny fampiofanana momba ny mozika, notarihin’i Fran­cesca Sivori, avy amin’ny Ecole de musique Allegromo­derato, avy any Italia. Fizarana fahaiza-manao amin’ny fiten­drena karazana zavamaneno maro samihafa no natao tamin’ izany. Maro ny Malagasy, araka ny nambaran’ny tomponandraikitry ny sekoly, tafiditra ao anatin’ ny ezaka sy vinan’ny sekoly ny fiaraha-miasa amin’ ny vahiny matihanina sahala amin’izao mba hisian’ny fifandraisana sy fivelarana amin’ izao tontolo izao.
Fitendrena piano, violon, violoncelle, harpe, triangle no nentin’ireo mpianatry ny Ecole de musique Allegromoderato ho an’ny mpianatry ny Anac. Tao anatin’izay fifampizarana izay hatrany ny fikapohana aponga (Tam tam) no nato­lotra ho an’ireto vahiny ireto. Fampiofanana, fifampizarana teo amin’ny samy mpianatra, atrikasa notarihin’ireo mpampianatra no nameno ny fandaharam-potoan’ny mpiofana teny amin’ny Anac, omaly. Taorian’izay, nisy ny fampiharana avy hatrany ny nampi­taina tamin’ny mpianatra.

Lin

Partager sur: