Fokontany Tsarahasina, Ambohimangakely: novakina ny vatobe roa milanja 2200t

Tsy maintsy novakina amin’ny tanana ny vatobe roa ahina hiala amin’ny toerana ka hitera-doza ho an’ny vahoaka manodidina an’i Tsarahasina.

Vatobe roa, milanja 2000t sy 200t, no novakina
tao anatin’ny fokontany Tsarahasina, kaominina Am­bohimangakely, ho fanalefahana ny loza sy ny tandin­don-doza ho an’ny mponina manodidina rehetra monina eo, araka ny fanazavan’ny teknisianina avy ao amin’ny BNGRC, omaly. Tsirakitry ny mponina fa nihetsika ireo vatobe ireo nandritra ny fotoam-pahavaratra farany teo ka nampandre ny manam-pahefana izy ireo. Tonga nitsirika ny zava-misy ny teknisianina avy ao amin’ny BNGRC ka tsy maintsy hovakina amin’ny tanana ny vato. Mpiasa mpamaky vato 21sy teknisianina avy amin’ny BNGRC 10 ary olona avy amin’ny Corps de protection civile (CPC) efatra no miara-misalahy manao ny asa mandritra ny 15 andro. Nafindra toerana amin’ny tranolay vonjimaika aloha ny olona 125 tafo mandra-pahavitan’ny famakiana ny vato. Nizarana sakafo koa ireo mpifindra monina. Manara-maso ny fandriampahalemana kosa ny zandary sy ny fokontany, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC, Andriankaja Elack Olivier.
Manohana teknika ny BNGRC, miaraka amin’ny fanadihadiana momba ny toetry ny vato. Hita, araka izany, fa tsy azo ampiasana fitao­vana hafa ankoatra ny famakiana amin’ny tanana ireo vatobe. Mety hiteraka loza hafa ho an’ny mponina ny fanapoahana na fampiasana fitaovana mahery vaika. Ma­nampy ny BNGRC ny kaomi­nina Ambohimangakely amin’ ny fanatanterahana ny asa. Nametrahana fefy ny toerana iasana misy ireo vato hisorohana ny loza ary tsy azo ive­zivezena mandritra ny faharetan’ny asa famakiana.

Vonjy

Partager sur: