Takin’ny mpikambana ao amin’ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka, sampana Antananarivo, ny fialan’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta sy ny minisitry ny Fampianarana ambony ary ny minisitry ny Vola sy ny toekarena. Tsy nahatanteraka ny andraikiny izy ireo momba ny fanomezana vahaolana amin’ny fitakian’ny Seces ny antony. Nanao fanambarana izy ireo taorian’ny fivoriana, ny talata teo, fa tsy tanteraka ny fandoavana 100% ny ora fanampiny sy ny “vacations” tapany faharoa ho an’ny taom-pianarana 2018-2019 hatramin’ ny taom-pianarana 2021-2022.
Tsy mbola nivoaka ny volavolana didim-panjakana ho fampiharana ny lalàna 2021-005, mikasika ny sata manokan’ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra. Eo koa ny tsy fahazoan’ireo mpampianatra mpikaroka efa nisotro ronono ny “indemnité de recherche” nanomboka ny taona 2018 no ho mankaty. Manome 72 ora ny fitondram-panjakana ireo mpikambana amin’ny Seces hitondrana vahaolana. Raha dila izany, hiroso amin’ny fampiatoana ny asa fampianarana sy fikarohana ny mpampianatra sy ny mpikaroka amin’ny oniversiten’Antananarivo sy ny foibem-pikarohana rehetra.
Vonjy