CUA-hetsika ara-pahasalamana : nisitraka tolotra maro ny Boriborintany faha-V

Nidina ifotony nijery ny fizotran’ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka karakarain’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, amin’ny alalan’ny fitaleavana misahana ny asa sosialy sy
ny fahasalamana, ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Reni­vohitra, Andriantsitohaina Naina, omaly.
Anjaran’ny mponina eny amin’ny Boriborintany faha-V no nisitraka izany. Nizara roa ny toerana ka ny sasany eny amin’ny fokontany Ambohimi­rary ary ny hafa eny amin’ny fokontany Nanisana, eny amin’ ny Mikoja, izay hatao anio sy rahampitso.
Manodidina ny 150 ireo olona efa nahazo ny tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana toy ny fitsaboana amin’ ny ankapobeny, fizahana maso, fandrindram-pitera­hana, vaksiny ho an’ny zaza latsaky ny 9 volana sy ny maro samihafa hatry ny omaly.
Hitohy eny amin’ny bori­borintany faha-VI ny hetsika afaka tapa-bolana. Manao hetsika didim-poitra faobe koa ny kaominina Antananarivo Renivohitra nanomboka ny voalohan’ny volana jona ary mitety ny boriborintany enina. Efa nahavitana izany ny teny amin’ny Boriborintany I, II, III ary IV.
Hanomboka ny talata 18 jolay izao kosa ny anjaran’ny eny amin’ny Boriborintany V izay haharitra 4 andro ary hitohy eny amin’ny boriborintany faha-VI indray izany.

Tatiana A

Partager sur: