Ny zanaka no harena: Resabe ny isan’ny zaza hateraka

Satria mahantra ny Mala­gasy, aleo iray na roa ihany ny isan’ny zaza hateraka. Mifanaraka amin’ny zava-misy iainan’ny firenena ankehitriny tokoa io. Fanehoan-kevitra toa sarotra toherina. « Ny zanaka no harena », hoy kosa ny Malagasy. Sao mba tsy marina amin’izao vanim-potoana izao intsony ary io ?
Voaporofon’ny tantara anefa fa fomba nataon’ny mpanjanaka sy mbola ataony hatramin’izao ny famotehana sy famafana tanteraka ny momba ny tompon-tany. Nampahantraina izy ireo, mba hanamora ny fampidirana ao aminy fa tsy tokony hiteraka mihoatra ny iray na roa izy ireo. Ho babo mora foana ny taniny aorian’izay. Nianjadian’izany ry zareo mena hoditra (Etazonia) sy ny Aborizenina (Aostralia).
Manana velaran-tany le­hibe i Madagasikara. Mana­na harena tsy hita pesipesenina. Tsy tokony ho mahantra ny Malagasy. Io no tsy maha marim-pototra ny fa­merana ny zaza lazain’ny mpanjanaka.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: