Tontosaina, anio, eny amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) Antsahavola, ny “Slam Session”. Hetsika karakarain’ny Madagaslam section Tanà (MST), tafiditra ao anatin’ny hetsika “Zoma finaritra” karakarain’ny IKM. Toy ny mahazatra, misokatra ho an’ny rehetra ny sehatra, ary mpiangaly Slam maro samihafa no andrasana ao anatin’izany. Tanjona amin’izao ny hampivelatra sy hampiroborobo ny Slam eto Madagasikara.
Ambohipihaonan’ny mpankafy Slam indray, araka izany, ny eny amin’ny IKM Antsahavola, anio. Mpiangaly Slam manana ny maha izy azy maro no ho avy ao. Eo ihany koa ireo talenta vaovao efa manomboka mametraka ny maha izy azy. Tsy hadinoina ihany koa anefa ireo vao manavao sehatra. Samy haneho ny fahaizany, ao anatin’ny fanajana ny fepetra sy ny fitsipiky ny Slam sy ny hetsika izy ireo anatin’izany. Miezaka hatrany ny tomponandraikitra manao hetsika sahala amin’izao hanamafisana ny fahaizana ho an’ireo efa kalaza, ary fizarana sehatra ho an’ny vao misandratra.
Ho an’ny MST manokana, ankoatra ny fiaraha-misalahy amin’ny Madagaslam, amin’ny fampiroboroboana ny Slam eto Madagasikara. Tanjon’izy ireo koa ny fiomanana amin’ny fifaninanana nasionaly.
Lin