Nodimandry, teo amin’ny faha-58 taonany, i Laulo na Ramiandrisoa Ralimihanta Laurence. Mpitendry vata maroafitsoka fahiny tao amin’ny tarika Dillie, mpanao sary sy mpanao gazety anisan’ny nanokatra ny onjam-peo RLI, efa tao amin’ny gazety L’Express de Madagascar ihany koa. Ralimihanta no anarana nentiny tao anatin’ny fandaharana “Destination Madagascar”, RLI.
Nahazo ny “Prix honorable” tamin’ny Appasionata, ny Quator Squad. Fifaninanana iraisam-pirenena momba ny mozika, any Genève Suisse izy ity. “Vidéo” an’ny fampisehoan’izy ireo tao amin’ny CCEsca farany teo no nalefa tany amin’ny mpitsara, ka nahazoana izao vokatra izao. Nahazo ny “Prix Excellence” ihany koa ny Choeur Miangaly tany amin’ny sokajy amboaram-peo.
Tontosa omaly, tao Antanifotsy ny “Tagnamaro” manokana. Namaliana ny hetahetan’ny mponina, amin’ny tsy fahazoana ny haino aman-jerim-panjakana izy ity. Nisy ny fiaraha-mientan’ny rehetra, nanavaozana ny trano fiasan’ny sampandraharahan’ny TVM/RNM any an-toerana. Tamboho sy vavahady, valin-drihana ary fanavaozana ny loko no natao, notarihin’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina.
Hisy ny fampisehoana “cirque”, etsy amin’ny AFT Andavamamba, rahampitso sabotsy 15 jolay, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Ireo mpisehatra ao amin’ny fikambanana Graines de Bitume no iandraikitra izany, ahitana ireo mpanatalenta mampivanaka ny maro, indrindra ireo ankizy, toy ireo “jongleurs”, “échassiers”, “acrobates” , “clowns”, sns.