Sakafo andavanandro : niakatra 200Ar ny kilaon’ny vary

Lany avokoa ny ankamaroan’ny tahirim-barin’ny mpamboly. Ankehitriny, niakatra 100Ar hatramin’ny 200Ar ny vidim-bary eny an-tsena.

Tato anatin’ny andro vitsy, nahitam-piakarana ny vidim-bary eny an-tsena raha oharina ny tamin’ny volana jona. Manodidina ny 200Ar ity fiakarana ity ary voakasik’izany avokoa ireo karazam-bary rehetra eny an-tsena. Eny amin’ny tsenan’Analama­hitsy, vidiana 2 700Ar ny kilaon’ny dista raha toa ka 2 500Ar izany teo aloha. Manodidina ny 2 800Ar sy 2 900Ar kosa ny kilaon’ny Mangamila. Niakatra 100Ar ny kilaon’ny vary makalioka eny amin’ity tsena ity. Vidiana 2 600Ar ny kilaon’ny vary tsipala raha toa ka 2 800Ar kosa ny makalioka fotsy. Misy kosa ny mivarotra ireto farany ho 3 000Ar, toy izany koa ho an’ny vary gasy sy ho an’ny makalioka. “Toy ny isan-taona, tafiditra amin’ny vanim-potoana fiakaran’ny vidim-bary isika izao, antony mahatonga izany”, hoy ny fanazavan’i Mavo, mpivaro-bary eny an-toerana.

Alaotra Mangoro
Mihavitsy ny mpamboly vary ao amin’ny faritra Alaotra Mangoro amin’izao fotoana izao, hoy ny loharanom-baovao iray ao an-toerana. Nam­barany fa tsy mivarotra ny tahirim-bariny intsony ireo mpamboly amin’izao raha tsy misy antony ilana vola maika. “Ireo mpamboly manana trosa any amin’ny banky mpampidram-bola sisa no voatery mivaro-bary”, hoy hatrany ny fanazavana. Ankehitriny, vitsy ireo mivarotra ity vokatra ity raha nitobaka teny an-tsena izany nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena. Amin’izao nidina 1 400Ar ny kilaon’ny vary akotry ao Ambaton­drazaka raha nahatratra 2 000Ar izany tamin’ny volana Marsa. Manodidina ny 2 300Ar ny kapoakan’ny vary Maka­lioka any an-toerana.

Henintsoa Hani

Partager sur: