VAOVAO TAMBATRA

Mitohy hatramin’ny 31 jolay ny fetrandro farany fanaterana ny antontan-taratasy, famaliana antso amin’ny tetikasa GEF6-AMPs. Miompana amin’ny « fanitarana sy fanatsarana ny tambajotran’ny faritra arovana an-dranomasina eto Madagasikara » ny tetikasa. Vatsian’ny GEF vola.
Nohavaozina ny mpikambana ao anatin’ny filankevi-pitantanan’ny Ofisy malagasin’ny akoranafo, “Office Malagasy des hydrocarbures”, (OMH). Tapitra ny volana avrily 2023 teo ny fotoam-piasan’ny mpikambana teo aloha. Mandrindra ny sehatry ny solika sy ny akoranafo ny OMH.
Hividiana fitaovana teknika sy fampitaovana ara-indostria mikasika ny fananganana orinasa fitotoam-bary sy orinasa mpanao savony ny hampiasana ny ampahan’ny tetibolan’ny minisiteran’ny Fampiroboro­boana ny indostria, ny varotra ary ny fanjifana. Tapaka izany nandritra ny filan-kevitry ny minisitra, ny alarobia teo.
Hampidirana herinaratra ireo gara efatra lehibe sy toeram-piantsonana madinika efatra eo anelanelan’i Soarana sy Amoronakona. Hatao izany ho famitana ny tetikasa « train urbain » hanamaivanana ny olan’ny fitaterana eto Antananarivo.

Partager sur: