Manoloana ny teny midina avy amin’ny tomponandraikitry ny oniversiten’Antananarivo fa tsy maintsy manampy ny sampandraharaha mikarakara ny fanadinana ireo mpianatra taona voalohany manomana “doctorat” ka hisahana andraikitra mandritra ny fanadinana bakalorea manomboka amin’ ny alatsinainy ho avy izao. Nanao fampahafantarana ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka (Seces), sampana Antananarivo, omaly, fa tsy misy mpiasam-panjakana na tomponandraikitra afaka manery azy ireo hanatanteraka asa tsy sitraky ny fony. Ny asa sy ny anton-javatra mifandraika amin’ny fanomanana na fiomanana amin’ny fanohanan-kevitra ( thèse), ahazoana ny mari-pahaizana “doctorat” ihany no azo hanerena azy ireo. Izay ihany no antony nandraisan’ny oniversiten’Antananarivo azy ireo sy nanaovany sonia fa tsy zavatra hafa. Fampahafantarana ho an’ny andaniny roa no natao ka manana safidy na hanao na tsia ireo mpianatra, hoy ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny Seces, sampana Antananarivo.
Momba ny firosoana amin’ ny fampiatoana ny asa fampianarana sy fikarohana, mifarana ny alatsinainy hariva ny 72 ora napetraky ny Seces ho an’ny fanjakana hitondrana valiny amin’ny fitakiana.
Vonjy A.